Minisitry ny serasera

Gascar Fenosoa


  • Zoma 26 Desambra 2025

Tsy misy ambonin’ny lalàna,

avereno any am-ponja raha meloka i Raissa !»
« Tsy misy olona ambonin’ny lalàna eto Madagasikara, na iza na iza. Ny lalàna irery ihany no ambony.Noho izany, rehefa meloka dia miantso ny fitsarana handray ny tandrify araka ny lalàna, raha tsy meloka dia ny fitsarana ihany koa no manao izany », hoy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Gascar Fenosoa, taorian’ny kiana mivaivay mikasika ny nilazany fa olo-marina sy mijoro amin’ny fahamarinana i Raissa Razaivola. Nilaza fa voaasa nanokana ny toerana ny tenany, ary ny antony noresahana dia mijoro amin’ny fahamarinana na iza na iza. Miantso ny fitsarana handray fepetra, hanamafy indray an’izay fikarohana ny fiampangana azy, hoy indray ity Minisitra ity ny alarobia 24 desambra teo. Nambarany fa raha meloka ilay olona dia mihatra avy hatrany ny lalàna, averina anya m-ponja tsaraina araka ny fitsarana. « Tsy anjarako mihitsy ny manamarina na manameloka olona iray, fa ny hafatro dia tsy misy olona ambonin’ny lalàna, raha olona meloka ka omen’ny lalàna didy ho any am-ponja dia tokony ho anya m-ponja », hoy i Gascar Fenosoa. Raha hiverenana ny nambarany ny 20 desambra 2025 dia nilaza mazava hoe : "Mijoro androany ny Fikambanana izay tarihin-dRtoa Raissa. Aoka izay ny fanaratsiana azy sy ny fanenjehana azy , fa raha nisy antony nanagadrana azy dia ny fijoroany amin’ny fahamarinana ! ». Nanizingizina ity Minisitra ity tamin’izany fa mpandraharaha Malagasy nijozo sy niady ho amin’ny fahamarinana i Raissa Razaivola, fa tsy nety tamin’ny fitondrana volomboasary. « Amin'ny maha Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ary amin'ny maha mpitondra tenin'ny Governemanta no ilazako hoe aoka izay ny fanaratsiana sy ny fanenjehana an'i Raissa Razaivola, fa olona mijoro amin'ny fahamarinana izany Raissa izany », hoy i Gascar Fenosoa.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT