Actualités

Minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay Hanafaka an’I Paul Rafanoharana sy Philippe F.?


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Niova ny fandaharam-potoan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Frantsa Catherine Colonna, ka raha tokony ho amin’ny faran’ity volana ity dia mihemotra ho amin’ny 28-29 mai ho avy izao.

Hihaona amin’ny Filoham-pirenena Rajoelina izy mandritra ny diany. Tsy tena mbola mazava ny zavatra hifampiresahana, fa raha ny voalazan’ny fampahalalam-baovaon’ny Africa Intelligence omaly 18 aprily, dia isan’ny lohahevitra horesahany ny raharaha Apollo 21. Voalaza fa nanampoizina ny fifandraisan’I Paris sy Antananarivo mantsy io, ka voalaza fa takiana na angatahan’ny Frantsay ny famotsorana an’I Paul Rafanoharana sy Philippe François, izay nambara fa nikasa hanongam-panjakana sy hamono ny Filoha Rajoelina, ka nohelihana tamin’ny alalan’ny sazy henjana. Efa hatramin’ny volana febroary teo no voalaza fa niandrasan’ny Frantsay ny hamindrana azy ireo any France. Hanaiky ny mety ho tsindry ara-diplaomatika ve ny Fitondrana Rajoelina ka hisafidy fahafaham-baraka amin’ny Malagasy? Inona no mety ho tambiny raha ho tonga amin’izay? Ankoatra izay, voalaza fa hanolo-kevitra hisian’ny dinika any Paris mikasika ny Kaomisionina iraisana momba ireo Nos ifandraroritana ihany koa ny Frantsay. Ity raharaha ity izay toa mbola sarotsarotra ihany koa ny ady ho antsika. Ny fanontaniana manitikitika ny rehetra ihany koa dia ny hoe: hanao ahoana ny fihetsik’I Lafrantsa manoloana ny toe-draharaha ara-politika sy ara-pifidianana eto? Raha ny resaka diplaomasia aloha, dia tsy mbola fahita firy ny hoe: ambasadaoro nanao tatitry ny asa tao anatin’ny 3 volana nahatongavany raha tsy ny an-dry zareo eto. Somary hentitra amin’ny fomba firesany ny Frantsay, ka anisan’izany ny resaka demokrasia, fifidianana madio,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT