Maro amin’ireo artista no mitaraina fa voadona mafy ny fivelomany ao anatin’izao fihibohana vokatry ny fiarovan-tena amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19 izao ka mangataka fanampiana.
Raha ny zava-tsikaritra ny sabotsy teo anefa dia toa tany amin’ireo mpianatry ny oniversite eny Ankatso indray, ohatra, no maha maika ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera hanaterana Arovava. Mitady hitroatra ve ny eny dia anaterana tampim-bava malaky sa inona no antony ? Manome fanampiana ho an’ny mpanao gazety ny filoham-pirenena malagasy dia ny governoram-paritra no mitsinjara izany fa tsy hita ny minisitra mpiahy; ny resaka arovava ho an'ny mpanao gazety dia ny fiadidiana ny repoblika indray no tonga aloha. Maro anefa ny mpanao gazety tena sahirana ankehitriny; Ny artista indray foana daholo ny fifanarahana rehetra kanefa izao Paska izao no tena fihinanana hatramin’izay, tsy hita tabilao ihany koa ny minisitra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.