Minisitry ny fitsarana teo aloha

“Mihamafy ny Fanjakana tsy tan-dalàna ka antony hijoroana”


  • Alarobia 24 Aprily 2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

mpampianatra lalàna, avara-pianarana,… ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha tao anatin’ny tapany voalohan’ny Fitondrana Rajoelina dia Atoa Johnny Andriamahefarivo. Naneho heviny manoloana ny tsindry politika sy baiko politika mahazo ny mpitsara, ka isan’ny noraisiny ho ohatra, ny raharaha nanonganana an-dRtoa Christine Razanamahasoa, izay toa nandeha ila, tsy nisy fihainoana ny naongana, tsy voahaja akory ilay 48ora nomena,... Misy fanonganana navoaka, ny didy tsy azo ivalozana ary ekena, fa any ambadimbadika any misy raharaha mikorontana eo amin’ny fitsarana,… Raharahan’ny samy antoko, misy fifanolanana, tsy noraharahiana, misy karazana resaka hoe: mitombina sa tsy mitombina. Sao mba tokony hodinihana ihany satria ilay olona tao anaty antoko, ary teny Analakely nisy fifampitifirana, I Madagasikara mitady ny làlana hisorohana ny zavatra tahaka izany ka moa tsy andraikitra depiote. Sao mba tokony nomena fotoana kely izy namaliana? Hoy ity Minisitra ity. Nahitsy izy naneho, fa toa ohatran’ny nisy endrika baiko avy amina tompon’andraikitra ka nahatonga didy nivoaka ho ana tombotsoa politika, ho tombotsoan’olona ao anaty politika fa tsy ho an’ny tombotsoan’ny firenena. Niaiky ary nahitsy ity Minisitra teo aloha ity nilaza fa ny ijoroana ankehitriny dia misy tokoa ny baiko sy teny midina ary hatramin’izay, ka ny ahiahy tsy hihavanana no hahasahiana miteny fa latsaka an-davaka I Madagasikara, mba efa tsy rariny intsony, ary ny tena henjana dia niala amin’ny Fanjakana tan-dalàna ka lasa fitondrana mankalaza sy manindrahindra ilay antoko sy ny fitiavan-tenan’ny antoko, ka fa tsy ho an’ny tombotsoan’ny firenena, hoy izy nanamafy.
Toky R

Misy fotoana tokony haha

Raharaha fony bizy ben’ny tanona
Didy navoakan’ny PAC
Johny Richard Andriamahefarivo
Raymond Ranjeva
Velom-panontaniana ireo mpampianatra lalàna
Tsy misy intsony ny tany tan-dalàna
Ny ahiahy tsy hihafa

Johny Richard Andriamahefarivo
Atrikasa niarahana
Fanairana ny mpitsara namana tokony hijoro.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT