Actualités

Minisitry ny fitsarana “Tena misy ireo ondry mania ato aminay”


  • Talata 29 Septambra 2020

Nitondra ny heviny mahakasika ny fanatsarana ny asam-pitsarana ny minisitry ny fitsarana, Johnny Richard Andriamahefarivo, fa adidin’ny vahoaka ny manampy amin’ny ady amin’ny kolikoly.

 

 

 

 “Izahay efa miezaka, manao, fa ny rehetra koa mila manana fitondran-tena mendrika, sy tsara, mba hiady amin’ny kolikoly satria matetika dia avy any amin’ny vahoaka izay manan-draharaha ihany no fiandohan’izany”. Notsipihany manokana kosa fa « Misy tokoa ny ondry mania, mety tsy fantatry ny besinimaro fa nisy ary mbola hisy ohatra ireo Mpitsara miakatra Filan-kevitra momba ny sazy na CODIS. Nisy efa nandalo, ary mbola misy ny ho avy ny sazy, na ho an’ny Mpitsara, na Mpiraki-draharaha na Mpandraharahan’ny fonja. Misy ohatra ny Mpitsara atao famotorana ankehitriny, misy ny enjehina araky ny lalàna, toy izany koa ny Mpiraki-draharaha nania. Misy Mpandraharahan’ny fonja migadra any Ambatolampy. Ohatra ihany koa ny fanenjehana ny Tale Jeneralin’ny CNAPS teo aloha, izay Mpitsara, na dia tsy tao anatin’ny asa maha-mpitsara azy ary no anenjehana azy”. Nomarihany fa tsy amin’ny alalan’ny fanenjehana ireny nania ireny irery kosa no fomba azo andrefesana ny hoe miasa sy firosoan’ny asa, fa amin’ny alalan’ny ezaka ankapobeny atao hanomezana ainga vaovao ny tontolon’ny asam-pitsarana manontolo eto Madagasikara.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT