Actualités

Minisitry ny fitsarana “Manaja ny zon’olombelona fanjakana”


  • Zoma 28 Aogositra 2020

Nisy ny fanararaotana ny fahavitsian’ny mpiambina izay 4 monja.

 

 

Nisy fitorahana, ary tsy nahatohitra ny mpiambina, ka tafoaka ireo 88 tena nikotrika ny fitsoahana. “Tamin’ny 12ora sy fahefany tao amin’ny fonjan’i Farafangana ahitana voafonja 350 voalaza fa nikomy tampoka hanao lositra faobe. Nanararaotra ny fahavitsian’ny mpiambina izay efatra monja”, hoy ny Minisitry ny Fitsarana Jhonny Richard Andriamehefarivo. Niaiky izy fa vokatry ny tsy fisian’ny fitsarana ka nahatonga fahasorisorenana, ary ekena fa mety antony niteraka io tetika io izany, raha ny fanehoan-kevitr’io minisitra io. Hatreto ny voalaza dia noho ny hahenjanan’ny herisetra sy ny savorovoro, ataoko hoe “hono” no nahatonga ny fitifirana, tsy niantso ny OMC teo an-toerana, hoy ity Minisitra ity. Voalaza fa nahazo basy iray moa ireo mpikomy. Mpiambina 4 ve izany no nitifitra ireo rehetra maty 23 ankoatra ny naratra? Nambaran’io minisitra io fa mibahan-toerana hoan’ireo mpitandro filaminana dia ny hitady ny filaminan’ny vahoaka sy hisambotra ny azo samborina. Misy milaza fa tsy miraharaha ny zon’olombelona ny fanjakana, samy manenjika ny mpanohitra. Ity Filoha Rajoelina ity no nandeha tao Antanimora nijery ny zava-nisy, ary nanao fanapahan-kevitra namotsitra voafonja rehefa nahita ny zava-misy, hoy ny minisitra. Sambany nampidirana ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana hanaovana fonja vaovao. Nambarany fa mitomby ny asa ratsy (criminalité) kanefa ny fotodrafitrasa kely.

 

 Hentitra kosa ny fanambaran'ny Amnesty International (AI) tamin’ny alalan’i Deprose Muchena Talen’ny AI Sampana Afrika, fa "Tokony homena baiko ireo mpitandro filaminana hanatsahatra tsy misy hatak'andro ny fampiasan-kery sy famonoana mahafaty".

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT