Actualités

Minisitry ny Fitsarana “Ara-dalàna ny fanenjehana an’I Arphine”


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Naneho ny heviny momba ny fanagadrana ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa ny Minisitry ny fitsarana Andriamahefarivo Jhony Richard.

 

 Ny fitsarana dia ao anatin’ny fanajana ny lalàna velona ao aminy. Matoa misy ny fanenjehana dia fanenjehana mifanaraka amin’ny lalàna velona misy ao amin’ny tany sy ny fanjakana. Tsy misy fanjakana handeha hanitsakitsaka ny zon’olombelona araka ny resaka atao. Tsy manao fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny fitsarana, ary tsy misy lalàna ampiharina ka tsy mifanaraka ny didy aman-dalàna. Araka ny fanazavana nomen’izay efa nanazava dia tsy amin’ny maha mpanao gazety azy ny fanenjehana mandeha fa araka ny lalàna velona, ka tsy hitako mihitsy hoe aiza izany fanenjehana ny asa fanaovan-gazety izany, hoy ity minisitra ity. Ny avy amin’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina moa no niezaka nandiso ny maha mpanao gazety an’I Arphine sy naneho fa tsy amin’ny maha mpanao gazety azy ny fanenjehana, ka nolazain’ny Holafitry ny mpanao gazety fa mpamadi-dresaka ny minisitera. Efa maro ny fangatahana nataona rafitra sy fikambanana na eto an-tanindrazana na iraisam-pirenena ny hamoahana tsy misy fepetra an’I Arphine saingy mihenjana ny fanjakana. Raharaha politika io, ary vahaolana politika no tokony hamahana azy, saingy any amin’ny fanjakana ny baolina. Tena loza ho an’ny firenena ve ny famoahana olona iray henjehina satria naniratsira sy ambara fa miteraka fankahalana ny Filoha. Tena voamarina ve fa izy no tompon’ny heloka? Azo hamarinina tsara amin’ny alalan’ny teknolojia hoe iza sy avy aiza no namoaka ilay filazana ny filoha ho mpamono olona, saingy tsy te hahalala ny mpitondra fa hoe: io no talen'ny famoahana ny gazety Ny Valosoa sy miandraikitra pejy mifandraika amin'izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT