Actualités

Minisitry ny fitaterana vaovao Hijery akaiky ny fametrahana ny « Train urbain » sy ny "téléphérique"


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Hijery akaiky ireo seha-pitaterana manan-danja rehetra ho fampandrosoana an’i Madagasikara ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro vaovao, Atoa Ramonjavelo Valéry.

Fantatra izany omaly maraina nandritra ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Atoa Ranjatoelina Rolland. Tafiditra ao anatin’io tanjona hapetrany io raha araka ny fandraisam-pitenenana nataony omaly ny fijerena ireo fitaovana entina hanatsarana ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Ny famaranana ny ASSR na ny Aire de Service, de Sécurité et de Repos, ny fametrahana fanamby hampivoarana ny Madagascar Airlines, ny fijerena manokana ny FCE sy ny fitaterana an-dàlamby amin’ny ankapobeny ary ny fanatanterahana ny "Train urbain" sy ny "téléphérique". Nanambara hatrany moa ity ministra vaovao ity fa na betsaka aza ny tanjona napetrany dia ilaina hatrany ny fiaraha-miasa amin’ireo ministera rehetra hahafahana manatanteraka izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny famindram-pahefana omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT