Actualités

Minisitry ny filaminam-bahoaka « Olana teknika no nampiantona ny fanaovana pasipaoro »


  • Zoma 24 Martsa 2023

Efa niverina amin’ny laoniny ny famatsiana sy fanamboarana pasipaoro eo anivon'ny polisim-pirenena rehefa

nitsahatra kely nandritra ny iray volana sy tapany teo ho eo.Tonga nitsidika ny ivon-toerana fanamboarana izany tetsy Anosy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police Randrianarison Fanomezantsoa omaly Alakamisy 23 martsa. Nilaza ny Ministra nandritra izany fa "Passeport électronique" ny pasipaorontsika amin'izao ka ilay resaka vokatra électronique no nisy olana kely teo amin'ireo mpamokatra azy. Tsy isika eto Madagasikara ihany no misedra izany fa maneran-tany hoy izy. Noresahiny ihany koa fa noho ny ady any Rosia io no mahatonga izany. Misarika ny sain'ny malagasy rehetra Atoa Minisitra fa tsy izay rehetra tonga eo anivon'ny fanamboarana Passeport dia ho voaray avokoa noho ny fitaovana hampiasaina, izay "électronique" avokoa. "Donnée biométrique" mantsy no ao hoy izy ka mila atao milamina tsara satria milina no manonta azy. 200 isa isan’andro no vitan’ilay milina. 190.000 Ar kosa ny vola aloha izay tsy maintsy eny anivon’ny tahirim-bolam-panjakana irery ihany no handoavana azy. Ao anatin’ny 72 ora kosa no fotoana voafetra hahavitan’izany. Nanentana ireo mpanao pasipaoro koa Atoa Minisitra mba tsy ho tratran'ireny mpijirika eny ivelany ireny izay misy hatrany anaty tambajotran-tserasera Facebook. Miisa telo mantsy ireo efa voasambotra hatreto ary hiakatra fitsarana tsy ho ela.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fidinan’ny Minisitra tao amin’ny ivon-toerana fanamboarana pasipaoro etsy Anosy omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT