Gaga ny ankamaroan'ireo mpanao gazety
amin'izao fotoana izao mahita ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, ny Pr Marie Michel Sahondramalala, tsy mitsahatra ny miteny, mamosaka karazana fanehoan-kevitra ao anaty tambazotran-tserasera ao amin'izao fotoana izao. Fony izy mbola minisitra anefa na ny antson'ny mpanao gazety aza tsy noraisiny. Isan'ny niharan'izany moa ny teto anivon'ny gazety Tia tanindrazana. Ankehitriny anefa dia azo lazaina hoe vitsy raha miisa 3 isan'andro ny ranty sy fanehoan-kevitra ataon'ity tomponandraikitra teo aloha ity ao anaty tambazotran-tserasera Facebook ao. Raha manaraka ny fanapahana noraisin’ny HCC, hoy izy izao farany teo, dia "«Chef d’Etat» par intérim" na filoham-panjakana vonjimaika «mpisolo toerana» no napetrany eo na dia tsy fantatra aza hoe avy amin’iza ilay "intérim" noraisina. Resaka "intérim" ny «logique juridique» na lojikam-pitsarana nitondrana azy matoa nalefa tany amin’ny Antenimierandoholona sy Governemanta ny resaka izay vao niafara tamin’olona iray izay ivelan’ny lalampanorenana, hoy izy. Araka ny lalampanorenana izany dia mbola filohan’ny repoblika na «Président de la République" tokoa andriamatoa Andry Rajoelina satria tsy misy "Président de la République par intérim" misolo toerana azy. Izy moa nilaza rahateo fa «en mission» na mamita iraka. Raha «intérimaire» na mpisolo toerana izany ilay tomponandraikitra dia tsy manana fahefana feno toy ny filohan’ny repoblika na "Président de la République", araka ny lalampanorenana. "Président de la République par intérim" no misy anaty lalampanorenana fa tsy «Chef d’Etat par intérim». Araka ny «jurisprudence» na fijerena ny lalàna mipetraka sy mazava dia tsy mahazo manao «nomination» na fanendrena sy manao «exécution budgétaire» na fampiasam-bola ny «intérimaire». Afaka hamoaka vola ve ilay "intérimaire"? Iza izany no hanendry ny Praiministra izay ho atolotry ny «Groupe parlementaire majoritaire» na vondrona parlemantera maro an'isa raha tsy foana ny lalampanorenana ary fahefana avy aiza? Tokony tsy mametra-pialana izany ny Praiministra amin’izao ary tsy misy afaka manala ny Praiministra ankehitriny raha tsy ny antenimieram-pirenena raha eken’ny HCC fa tsy rava izany Andrimpanjakana izany. Ny fivoriana izay natao nandravana Birao maharitra tao amin’ny antenimieram-pirenena rahateo moa dia tsy manaraka lalampanorenana, tsy misy "décret portant convocation du Parlement en session extraordinaire" na didim-panjakana miantso fivoriana tsy ara-potoana. Ho ahy dia mbola andriamatoa Tokely Justin sy ireo mpikamban'ny birao maharitra miaraka aminy no ara-dalàna. Tsy manan-kery ny fifidianana natao ivelan’ny "session parlementaire" na fivoriana ara-potoana, izay natao ka tokony foana sy heverina toy ny tsy misy. Mbola tsy nankatoavin’ny HCC rahateo izany. Tsy mbola niova izany ny PAN na filohan'ny antenimieram-pirenena. Tena takian’ny lalampanorenana tokony nanao "prestation de serment" na fianianana tokoa ve? Ilay resaka «Chef d’Etat » na «par intérim» tsy ao anaty lalampanorenana nianianana? Tokony nisalotra samboady izay natokana ho an’ny olomboafidy sy ny "symboles de la République" na tandindon'ny repoblika, ny tombokasem-panjakana na «sceau de la République» …ve? Raha ny mikasika ny 2009 dia nametra-pialana ny filohan’ny repoblika tamin’izany ka nanao sonia izy namindra ny fahefana tamin’ny miaramila. Rehefa avy eo ny miaramila no nanome ny fahefana tamin’andriamatoa filoha Andry Rajoelina, izay nahazo ny hevitry ny HCC hoe azo atao sa tsia, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra isan'ny nisongadina nataon'ity tomponandraikitra teo aloha ity ny faran'ny herinandro teo?
Nangonin'i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.