Ny kaominina Tsarasaotra, distrikan’Ambositra Faritra Amoron’i Mania no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy teo amin’ny sehatra nasionaly tamin’ity taona 2014 ity
“Fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy ho fampandrosoana maharitra” no teny faneva nofidin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena nanamarihana izany. Tsy misy firenena handroso raha mbola miaina amin’ny habadoana ny vahoaka ao aminy. Nifanao velirano tamin’ireo mpampianatra Fram sy mpanabe rehetra niaraka tamin’ny mpianatra ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena izay nilaza fa ny zanaka Malagasy no loharanon-karena, mila tsinjovina ka hiara-kiasa sy hifanentana amin’ny fanatsarana ny rafi-pampianarana mba hahatsara ny hoavin’ny taranaka. Niaraka tamin’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena tao Tsarasaotra omaly alatsinainy 08 septambra 2014 ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.