Actualités

Minisitry ny atitany Nisy nitory eny amin’ny Filankevi-panjakana


  • Talata 25 Aogositra 2020

Nametraka fitoriana ny Minisitry ny Atitany sady Filohan’ny CCO Covid-19 teny amin’ny Filankevi-panjakana ny Fikambanana Antoko politika sy olon-tsotra notarihin-dry Joseph Yoland loholona teo aloha omaly.

 

 

 

Ao anatin’ny fitoriana dia maneho fa misy kiantranoantrano sy tsy fanajana ny dingana sy lalàna tokony arahina amin’ny fahazoana tsenan’asam-panjakana tamin’ilay raharaha fividianana entana 216 tapitrisa ariary, izay io minisitra io sy ny vadiny no mpividy sy mpivarotra ao anatin’ny faktiora. Tsy misy resaka mpanohitra fa resaka tombotsiam-pirenena, hoy ireo mpitory. Isika efa sahirana kanefa mbola misy ny fanodikodinam-bola. Nitory any amin’ny Bianco ihany koa ny Firaisam-pirenena. Raha tena voaporofo ny kiantranoantrano sy kolikoly aorian’ny fanadihadian’ny Bianco, dia apetraka amin’ny PAC ny raharaha raha olon-tsotra, ary raha any amin’ny HCJ kosa raha olom-panjakana ambony. Asa izay ho tohiny, fa ny fahatafaverenan’ity minisitra ity eo amin’ny toerany taorian’ny fanovana governemanta aloha, dia midika fa miaro azy tsy miasa saina amin’ny mety ho fahadisoana nataony ny Filoham-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT