Aoka isika mba ho matotra, hoy ny minisitry ny atitany, Tianarivelo Razafimahefa, omaly mantsy ireo sehatra tsy miankina mbola voatery manohy ny fampiodinana
ny asa aman-draharahan’izy ireo. Misy orinasa manana mpiasa 150 ve dia mangataka fahazoan-dalana manokana ho ana fiara 140 ? izany ve no atao hoe « service minimum » kanefa efa hoe olona farany vitsy no miasa eny amin’ireo orinasa, hoy hatrany ny fanontaniany ? Amporisihana ianareo orinasa tsy maintsy miasa mba hampiasa fiara fitaterana iombonana ho an’ny mpiasa hoy ny minisitry ny atitany ka io fiara io no hakana fahazoan-dalana manokana.Miatrika ady isika mianakavy ka tokony samy miezaka , hoy izy fa tsy hoe samy manao izay maha metimety sy mampilamina azy fotsiny, ary tena zava-dehibe ny fanajana ny fandaminana napetraka.Nifindra eny amin’ny Gare routière Andohatapenaka indray moa ny fangatahana fahazoan-dalana manokana ho an’ireo mila izay fiara ahafahana manohy ny asa aman-draharaha tsy maintsy atao izay fa tsy eny ivato intsony.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.