Actualités

Minisitry ny angovo vaovao Manamafy ny politikan’ny kizarazara ihany koa


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Mijery ireo marefo ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania ny fitondram-panjakana Rehefa avy tany amin'ny Distrikan'i Mananjary nitondra hazavana ho an'ireo mpiray tanindrazana niharam-boina noho ny fandalovan’ny rivodoza Freddy

niaraka tamin'ny Filoha Andry Rajoelina ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo dia nihazo ny Faritra Amoron'i Mania, hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo ny faran’ny herinandro teo. “Lampe cobra” miisa 70 ho an'ny distrikan'Ambositra, 40 ho an'ny distrikan'i Fandriana” no nozaraina, ankoatra ny fanampiana hafa toy ny vary miisa 680 gony, tafo fanitso, voamaina avy amin’ny fitondrana. Ireo no fanampiana natolony ho an'ireo vahoaka marefo eto amin'ny Faritra. Nomarihna fa sady zanaky ny faritra Amoron'I Mania ny Andriamatoa Solo Andriamanampisoa no "Minisitra coach" manampy ny Ministry ny Harena Ankibon'ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier. Fanamby hanatanterahana ny velirano faharoa ny hanomezana hazavana ho an’ny daholobe, hoy ny fampanantenana. Etsy andaniny, isan’ny nanamarika iny faran’ny herinandro iny raha ny teto Antananarivo manokana ny fiverenan’ny delestazy naharitra indray. Naharitra ora maromaro, nisy hatramin’ny adin’ny 3 na adin’ny 4 izany tamin’ny faritra sasany teto an-dRenivohitra ny sabotsy lasa teo. Isan’ny hanaovana serasera mafy mihitsy ity fizarana jiro cobra ity, izay mbola mampametra-panontaniana hoe: izay ve no tena asan’ny minisitra sy ny minisitera na ekena aza fa zava-dehibe izany? Mbola fanontaniana hafa azo apetraka ny hoe: nanao ahoana marina ny resaka tsenambaro-panjakana mikasika ny fividianana azy ireny
? Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT