Minisitry ny angovo sy akoran’afo

“Hitohy hatrany ny firesahana amin’ireo kaompanian-tsolika”


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Anatin’ny andraikitry ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo tanteraka ny resaka solika,

hoy ny minisitra misahana izany vaovao, Olivier Jean-Batiste, nandritry ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny teo alohany, Soloniaina Andriamanampisoa, omaly. Hitohy hatrany, hoy izy, ny firesahana amin’ireo kaompanian-tsolika ary angamba tsy dia hisy loatra ny olana satria fantatr’ireo tsara ny tenako tao anatin’io sehatra io fony tao amin’ny OMH. Ny resaka vidin-tsolika tsy afaka ho ambara mialoha satria na ny vidin’ny barilina amin’ny herinandro aza mbola tsy fantatra. Raha misy angamba tsena iray faran’izay mihetsiketsika indrindra eto an-tany dia io vidin-tsolika io. Tsy isika malagasy no mametraka ny vidin-tsolika fa fantantsika ny odidina iraisampirenena. Eo ny tolotra. Eo ny tinady. Eo ny jeopolitika. Vao be loatra ny ady any amin’iny “Moyen orient” iny dia miakatra ilay izy. Raha vao mampihena famokarana ireo mpamokatra ngeza dia miakatra ilay izy. Rehefa somary mihena indray nefa ny tinady amin’ireny firenena mandroso ireny eo amin’ny lafiny toekarena dia mihena ilay izy. Tsy maintsy ho arahana isan’andro izany io ary hiresahana mandrakariva amin’ireo kaompanian-tsolika sy ny fitondram-panjakana. Eo amin’ny lafiny angovo moa dia efa isan’ny mipetraka ilay 105 MW fa isan’ny hiazakazahana koa ny resaka sahan’angovo azo avy amin’ny masoandro na Parc solaire. Eo koa ny fanatsarana ankapobeny ny tambazotra eto Antananarivo izay fantantsika fa efa somary antitra. Raha vao ratsy ny andro dia nisaoty izao ny famatsy herinaratra na “dijoncteur”. Fiaraha-miasa akaiky amin’ny JIRAMA, noho izany, no atao aloha hamahana aingana ny olana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT