Minisitry ny angovo

Angovo azo havaozina no ho vahaolana lavitra ezaka


  • Talata 18 Novambra 2025

Anisan'ireo nampanantsoin'ny

Antenimierampirenena teny Tsimbazaza omaly ny Minisitry ny angovo sy ny akoran'afo Ralitera Ny Ando Jurice, manoloana ny olan'ny angovo. Nambarany fa raha ny mahakasika ny asa: nisy ny efa nolazain'ny Filoha sy hambaran'ny Praiminisitra anio. Na izany aza, nohazavainy fa ao anatin'ny main-tany, tsy mamaly ny filàna intsony Andekaleka. Misy ny vahaolana fohy ezaka: tsy maintsy mamelona ireo milina mandeha solika anatin'ny tanjona fohy ezaka. Misy ny fandatsahana orana artifisialy, saingy tsy mety isan'andro satria misy fipetraka ara-toetr'andro takiana. Efa nanao fa mbola anao amin'ity herinandro ity hahafahana mampitombo ny rano any Andekaleka sy hampihenana ny fandaniana solika. Teo amin'ny 108 tapitrisa Ar moa ny saran'ny fandatsahana orana ny herinandro lasa teo. Hisy ihany koa ny fanafarana milina hamokatra 16MW. Hahafahana fotsiny mandra-piandry ny fahavaratra ireo, ary efa mandeha ny dingana. Tsy hoe vahaolana maharitra fa halefa any amin'ny faritra ireo rehefa fahavaratra, ary hisy milina homena ireo faritra tena misy fahatapahana. Tsapa tamin'ny fandatsahana orana, fa tsy misy olana ny famatsiana rehefa avy ny orana, kanefa misy fahatapahana noho ny fahanteran'ny fitaterana ka hisy fanavaozana. Eo ihany koa ny Foibe fibaikoana hahafantarana hoe aiza no misy tsy fahampiana, ka hijerena hoe aiza ny hotapahana. Ny zavatra tsapa dia tsy mifanaraka amin'ny tetiandro, ka novaina ny solosaina. Tsy mbola fantatra hoe inona ny olana ao anatin'ny fibaikoana, tena olana teknika sa fanahy iniana tsy alefa? hoy ny minisitra. Ny lavitr'ezaka dia makany amin'ny angovo azo havaozina satria tsy afaka hiantehitra intsony amin'ny fividianana solika izay tena mandany volabe isika, hoy ny Minisitry ny angovo.
AZO TRANDRAHANA TSARA NY HERIN’NY MASOANDRO
Isan'ny foto-kevitra sy fijery novoizin'ny Antoko Tia Tanindrazana hatry ny ela moa ny fiovana tsikelikely makany amin'ny angovo azo havaozina dia ny fampiasana ny herin'ny masoandro izay tena ananan'i Madagasikara. Kajikajy tsotsotra efa natao vao tsy ela ny hoe hatomboka amin'ny oniversitem-panjakana ohatra, ka raha ny Fanjakana no manafatra dia 600Ar/Watt ny ny mason-karena. Raha ny eny amin'ny oniversiten'Antananarivo dia manodidina ny 300 000watt, izany hoe: 180 hatramin'ny 200 tapitrisa Ar raha ny an'Ankatso, raha ny kajikajy. Tany amin'ny novambra 2024 nialohan'ny fifidianana ben'ny tanàna no niresahan'i Tahina Razafinjoelina, fa misy antoka 30 taona ny panneau, manome 0,2 dolara (900 Ar) izany ny WATT. Raha miampy ny « convertisseur » sy ny « batterie de securité » sy ny fitaterana dia manome 2000-2500Ar eo ny Watt farafahabetsany. Raha 100 miliara ariary isaky ny 3 volana izany no lany amin'ny solika fanampiny dia mety hahavita 35 000 tafo isaky ny 3 volana ny firenena amin'io fandaniana miompampana io (1400 Watts isan-tokantrano isan’andro). Ohatra noraisina i Antananarivo izay 300 000 tafo ka ny antsasak’izay no misitraka jirama. 1500Watts hatramin’ny 3000Watts no ilain’ny tokantrano tsirairay. 2500Ar ny 1Watt ka 7 500 000 Ar eo izany ny vidin’ny herinaratra. Marina fa mety hoe : tsy manana an’izany, fa andao haloan’ny olona 36 volana, hatokisana ny vahoaka, ka ny vola aloa any amin’ny Jirama no handoavana an’io, fa azony ny « panneaux solaires » miaraka amin’ny « batteries » amin’ny 100 000Ar hatramin’ny 200 000Ar isam-bolana. Raha ambany no tadiavin’ny mponina, dia azo ampifanarahana amin’izany, fa ny tena olana amin’izao anefa, dia ny tsy fahampian’ny « capacité » an’ny Jirama hanome fahafaham-po ny olona, ka raha ny antsasaky ny 300 000 tafo no manana angovo mahaleotena isan-tokantrano, dia efa mihena antsasany izay ny vesatra. Isan’ny tetikasa naroson'ny Tia Tanindrazana ho an’ny kaominina Antanarivo tamin'ny fifidianana io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT