Actualités

Minisitra Roland Ratsiraka “Tsy maintsy vita ny lalan’i Marolambo sy lalam-pirenena faha-5”


  • Alatsinainy 23 Jona 2014

Ho fifalian’ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka niaraka tamin’ireo vahoakan’i Toamasina noho ny asa fanamboaran-dalana vita tao anatin’ny fotoana fohy dia nisy ny lanonana niavaka niarahany tamin’ny mponina teo amin’ny arabe manoloana ny lycée teknika Tanamakoa.

Nambaran’ny minisitra Roland Ratsiraka tamin’izay fa tsy hijanona hatreo ny fanamboaran-dalana izay miantoka ny fampihavanam-pirenena sy ny fandrosoana isam-paritra eto amintsika. Mbola hitohy izany ka tsy ny renivohi-paritany sy renivohi-paritra ihany, fa eo koa ireo lalam-pirenena, anisan’izany ny mankany Marolambo sy ny lalana mihazo an’i Mananara Avaratra sy Maroantsetra, ity farany izay efa nahazoana ampaham-bola 17 tapitrisa dolara tamin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana hiampy 30 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Hamatsy vola ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 koa ny Vondrona Eoropeanina. Nasain’ny minisitra manokana tamin’izao hetsika izao ny “Ino Maresaka à Tamatave”  fikambanan’ny tanora navondron’ny tambajotran-tserasera “facebook” izay nambarany fa tanora mandray andraikitra amin’ny fiarovana an’i Toamasina sy miezaka manampy ny mpiara-belona amin’ny asa sosialy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT