Vola sy harem-pirenena 5 miliara dolara hampodiana eto»
Tsy niandry ela, fa tontosa omaly toy ireo Minisitera hafa ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha aloha Atoa Rakotomandimby Benjamin sy ny Minisitra vaovao Rtoa Fanirisoa Ernaivo. Fanamby ho an’ny Minisitra vaovao ny hanadio ny laza ratsin’ny Fitsarana, hampihavana ny fitsarana amin’ny vahoaka, hamerina ny fifampitokisana,… Nanaiky izy fa tsy matoky ny vahoaka, tsy matoky ny mpamatsy vola,… Tsy voatery ho mpanao kolikoly ny mpitsara rehetra, hoy izy, fa mila haverina ny fitokisana. Nampahatsiahy sy nanamafy ny politika « zéro tolérance » manoloana ny kolikoly. Nanaitra kosa ny nilazan’ny Minisitra Fanirisoa Ernaivo fa « Vinavinaina ho 5 miliara dolara ny vola azo tamin'ny fomba tsy ara-dalàna, very miparitaka any ivelany ka tsy maintsy averina 100% eto Madagasikara ireo ». Raha io resakny ny minisitra io no raisina dia efa mahavita tetibolam-panjakana mandritra ny 2 taona io satria manodidina ny 2,2 miliara dolara ny tetibolam-panjakana tamin’ity taona 2025 ity. Vola sy fananana azo tamin'ny fomba tsy ara-dalàna fa nofotsiana, very miparitaka any ivelany any ary firenena miisa 4 eo no misy izany vola izany, raha ny firesany ka anisany ny any Grande Bretagne, Suisse, Vondrona Eoropeanina. Mahakasika ny raharaha Mamy Ravatomanga indray, manana 15 andro ny fanjakana hanaovana ny "dossier" rehetra amin'izao fotoana. Mbola hitohy fotoana maharitra kosa raharaha, raha ny fanazavany. Ankoatra io, nanazava ny mahakasika azy, ny fanesorana azy tsy ho mpitsara, ny fanamelohana azy tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina, ka nahatonga azy ho sesitany politika nanomboka ny taona 2018 i Fanirisoa Ernaivo. « Ny nampiatoana ahy tamin’ny asako dia ny antony politika. Rehefa niala teo amin’ny Fitondrana ny olona nampiato ahy tamin’ny asako dia afaka miverina amin’ny asako. Efa voafafa ny fanamelohana », hoy ity Minisitra ity. Nasian’io Minisitra io teny kosa ny hisiana fepetra ho raisina mahakasika ireo gadra tsy politika nefa nivoaka hoy hatrany ny Minisitry ny Fitsarana. Nisy lisitra mikasika ireo olona voatazona noho ny politika, nogadraina noho ny politika. 31 niampy 9, ka gaga fa tafakatra 91 ka hojerena tsirairay ny lisitra. Tsy maintsy handraisana fepetra. Efa nanomboka talohan’ny nandraisany ny asa ny famoahana ireo gadra politika, raha ny fanamarihany. Ny olan’ny fonja, efa miezaka mitady vahaolana, tsy ny Fitsarana no manapa-kevitra ny hanova ny « organigramme » an’ny governemanta, izay tsy nahafahana nanome fahafaham-po aloha, hoy ity Minisitra ity. Nitady izay marimaritra iraisana tamin’ny fanendrena ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja. Andaniny, mbola nanamafy ny fitakiany ny mpandraharahan’ny fonja omaly, raha ny hita tamin’ny haino aman-jery.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.