ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »
Naneho hevitra mikasika ireo toe-draharaha mafana ny Minisitry ny Fitsarana omaly tetsy Mahamasina, rehefa nanontanian’ny mpanao gazety. Momba ilay raharaha fisamborana miaramila 7 nanao fanafihana mitam-piadiana nahazoana vola 73 tapitrisa Ar mahery, dia nambarany fa niaiky ny heloka nataony. Ny mpiambina azy dia ao anatin’ny fotoana niatoany noho ny fanovana governemanta, tokony hiverina ny 01 mey, saingy tao anatin’izay no nanaovany hadalana, hoy i Fanirisoa Ernaivo, raha naneho fa lasa tahaka ny ny hoe : ny Minisitry ny fitsarana no manao inona ? Nambarany fa tsy hisy fitsitsiana indrindra fa mpiara-miasa no mivaona. 8 volana, miampy 6 volana, miampy 4 volana izay vao tsaraina ireo raha ny nambarany. Nisy vola norobaina, ka ny tanjona dia ny fijerena ireo zavatra nangalarina. Tsy nisy fifampiraharahana ara-pitsarana izany mikasika ireo tanora Gen Z izay nosamborina, ary efa navotsotra sy napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana. « Mamela malalaka ny fanehoan-kevitra ny Fanjakana, na manompa, na miteny izay tiany tenenina,… fa ny milaza lainga sy manely vaovao diso dia tsy ekena. Amin’ny tsy fisiana asa, dia misy amin’ireo tanora no mieritreritra fa hanao mpiasa politika, misy manararaotra, manao « recrutement » azy ireo hanongana ny Fanjakana », hoy ity Minisitra ity. « Tsy hoe tonga teo noho ny fihetseham-bahoaka izahay dia tsy manana « légitimité » afaka haongana amin’izao, fa mahalala tsara isika hoe nisy zavatra tsy nety an-taonany maro teto, ka nihetsika ny vahoaka, ary anisany izahay », hoy hatrany izy. Misy olona nanakarama, nampiasa vola, nizara vola tany amin’ny miaramila efa ho 1000 mahery, nizara vola tany amin’ny faritany 6. Nisy nizarana 10 000Ar, nisy 50 000Ar izay tena karama vary masaka, kanefa izany no nanakaraman’izy ireo olona hanapaka taribin’ny jirama, hanapoaka toby mpihary herinaratra,… mba hahatapaka ny jiro eran’ny Nosy hahatezitra vahoaka sy hampikomy azy ireo, izay sabotazy sy heloka. Tsy tratra ny tanjona satria voasambotra alohan’ny fotoana ireo atidoha. Mbola tsy tanteraka ny teti-dratsy, ary tsy ny tanora no tompon’antoka voalohany, ka nomena famindram-po ireo tanora, ka napetraka ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana. Ireo olon-dehibe efa nipi-bola nampiasa azy ireo no nalefa any Tsiafahy, hoy ny Minisitry ny Fitsarana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.