Ny Minisitry ny fitsarana no
nanome baiko », hoy i Mohamed
Nipoitra tamin’ny alalan’ny horonantsary ny Sekretera Jeneralin’ny Sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja na ny SG SPAPM SPAPM Mohamed Myridin Razafiberison, taorian’ny fivoahan’ny raharaha mahasaringotra azy tamin’ny raharaha famoahana voafonja sinoa 11. Naneho fa 10 taona no naha mpandraharahan’ny fonja azy, fa mbola tsy tratry ny sazy, mbola tsy nahazo DE (Demande d’Explication), ary manaporofo izany ny nisafidianan’ny mpandraharahan’ny fonja maro manerana ny Nosy ho sekretera Jeneralin’ny Sendika SPAPM. « Iza no tsy mahalala ny maha mafia ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa sy ny zavatra mety ho vitany ! Ny tena ihany koa manana vady aman-janaka, manana zanaka kely », hoy i Mohamed. Nilaza izy fa nahazo fandrahonana amin’ny hanagadrana ireo namany vao miteny, ary nambara fa tsy maintsy alamina ny raharaha. Araka ny fitantarany, ny aampiantsoan’ny Minisitra izy ny 17 aogositra momba ny hamoahana voafonja sinoa ivelan’ny fonja mialohan’ny « expulsion » na fandroahana azy ireo ho any Chine. Nifampiresaka tamin’ny Lehiben’ny fonjan’Avaradrano ny SG SPAPM ary nahazo fanazavana fa nisy iraka karazany 3 niresaka izany famoahana izany, ary nampanantena volabe. « Vao tonga teny Avaradrano ny « décision ministérielle » hamindrana azy ireo, dia niantso ahy ny Lehiben’ny Fonja fa efa tonga, ka nafindra teny Antanimora ny 5 andiany voalohany. », hoy izy. Nambarany fa nisy fifampiresahana momba ireo « agents d’escortes » ary nolazaina fa ny Minisitra no nandresy lahatra ireo mpiambina mba tsy andrasana akaiky ireo sinoa. Nangataka kosa ireo « Agents d’escorte» mba hisy sonia iombonana hisorohana ny olana mety hitranga any aoriana. Tahaka izany ihany koa ireo andiany faharoa. Tsy nety tafiditra tamin’ireo nampodiana ireo sinoa 11, ka nifampiantso ireo « agents » amin’ny tokony hampidirana am-ponja iray an’ireo sinoa saingy nambara fa tsy mety izany, fa efa manao ny lisitra ny masoivoho sy ny Minisitera, hoy ity farany. Nilaza moa ny SG SPAPM manamboninahitra lefitra, tsy manana fahefana hibaiko ireo eo amboniny, ary tsy miasa eo anivon’ny fandraharahana ny fonja sy ny Minisiteran’ny Fitsarana,… « Tsy marina ary lainga tanteraka raha izaho no afaka hibaiko an-dRakoto sy Rabe eo anivon’ny fonja », hoy izy. « Ny 21 septambra no nanatonana ny PRRM nanazavana taminy ny zavatra rehetra nandalo sy nisy, ny baiko niainanay, ka isaorana azy fa afaka nihaino sy nahazo tsara ny mahazo anay izy, ka miandry tatitra amin-dRtoa Minisitra fa hanahirana io zavatra io », hoy hatrany i Mohamed Razafiberison. Milaza ity farany fa mety tsy nandefa tatitra ny Minisitra, ka miaro tena amin’ny tambajotran-tserasera, saingy diso izy fa efa fantatry ny PRRM manomboka amin’ny antsipirihany ity raharaha ity, hoy hatrany ity farany. Nambarany fa efa ny faramparan’ny aogositra no navoaka ireo sinoa, ary ananay porofo, hoy ity farany nametra-panontaniana hoe ahoana no nahafahan’ireo nivoaka miaraka amin’ny pasipaoro, taiza no nahazoan’ireo pasipaoro,… kanefa tsy manana pasipaoro any amin’ny fonja ny gadra vahiny. Tokony ho any amin’ny tribonaly na polisy na zandary (OPJ) ? Nahoana no tafavoaka ireo olona ireo fa ahilika aminay ny rihitra ? Nahoana ireo sinoa no efa ny volana aogositra no tsy hita dia aty amin’ny oktobra no hamoahana fampikarohana ? Nilaza sy niaiky fa tena nampanaovina iraka ary tsy vao izao saingy iraka nahafaty ity iray ity, ka niezaka nipirina satria maintsy hanao « bouc émissaire ». Nilazay mbola hanao ampamoaka toy ny raharaha Valery Ramonjavelo izay azon’ny Lehiben’ny fonja hamarinina, ny famoahana Afrikanina,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.