Lehilahy 2 voasambotra teny Anosibe
Lehilahy miisa roa voalaza ho mpisoloky amin’ny alalan’ny lalao menamahazo no voasambotry ny Polisim-pirenena teny amin’ny faritry ny lalamby Anosibe, afak’omaly Sabotsy 17 Oktobra tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriborintany faha-05 Mahamasina no nahatratra azy ireo, raha sendra nandalo nanao fisafoana tampoka. Olona maro no efa nitaraina vokatry ny fisolokiana nataon’izy ireo, raha araka ny fantatra. Mody mandray anjara amin’ny lalao karakarainy amin’ny sarany 1.000 Ar dia mahazo 2.000 Ar avy eo. Fitazomana ilay olona mba hijanona io saingy ritin’ireo mpampilalao amin’ny alalan’ny paikady ratsy hampiasainy izany avy eo ka hataony ritra hatramin’ny any am-paosy. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy moa izy roalahy mba hanaovana ny fanadihadiana. Anio Alatsinainy 19 Oktobra izy ireo no hiakatra fitsarana raha tsy misy ny sampona. Tsiahivina fa tsy eny Anosibe ihany no misy ireo olona mpisoloky amin’ny alalan’ny lalao mena mahazo. Efa miparitaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina mihitsy izany ka tsy vitsy ireo olona efa voany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy voasambotra teny Anosibe !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.