ny fandraisana fepetra
Ela no nampitaraina ireo mpanjifa ny hafitsok’ireto mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara ireto. Halatra amin’ny fomba mihaja moa no filazan’ny maro izany, raha ireo tsiahim-baovao tao anatin’izay taona vitsivitsy izay. Miha ratsy hatrany ny tolotra na dia mody nampidinina aza ny sarany. Andrasana hatrany, araka izany, hoy ireo fanehoan-kevitra, ny fandraisana fepetra hentitra sy famaizana tena sahaza ho an’ireo tena manararaotra amin’ity sehatra ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.