Actualités

Minisiteran’ny serasera Nanome valin-kafatra ho an’ny OJM


  • Alarobia 14 Oktobra 2020

Ao anatin'ny fanohizana ny fampahafantarana ny lalàna momba ny serasera izay efa natomboka tany Mahajanga dia nitsidika ny birao na "desk"n'ny haino vaky jery ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo sy ireo mpiara-miasa aminy, omaly.

 

 

 

Ny RTA teny Ankorondrano no nanombohana izany ho an’Antananarivo. Nisy ny fanolorana ilay boky kely mirakitra ilay lalàna vaovao ho an'ireo mpanao gazety rehetra ary mbola hitohy amina "desk" hafa ny fitsidihana fampahafantarana, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Manoloana ny tsikera nataon’ny Holafitry ny mpanao gazety izay nilaza fa tandindomin-doza moa ny fanaovan-gazety eto Madagasikara dia nanome valin-kafatra ny MSK fa diso ny filazan’ny OJM fa ny minisitera no nanisika an-tsokosoko sy tsy an-kiera ny ireo fepetra mahakasika ny Holafitra tao anatin’ny lalana If 2020-006 manitsy andininy maromaro tamin’ny fehezan-dalana If 2016-029. Ireo antenimiera roa tonta dia ny depiote sy loholona, hoy ny fanambarana omaly, no tompon’antoka amin’ny fanaovana lalàna eto Madagasikara. Voahaja ao anatin’ity lalàna mifehy ny serasera vaovao ity ny fanafoanana famonjana mpanao gazety, ny fanesorana ilay andininy nanasazy mpanao gazety mamoaka vaovao amina fivoriana miiboka na « huis-clos », ny fampifandanjana ny isan’ny mpikamban’ny ANRCM ary ny fanomezana fahaleovantena sy fahefana goavana ny OJM izay hisitahan’ny minisitera tanteraka. Nilaza ho manameloka ny familiviliana resaka mba tsy hirosoana amin’ny fanaovana karatra matihanina vaovao sy fifidianana izay ho birao vaovaon’ny OJM moa ny minisitera ary nanamarika fa tsy tandindomin-doza izany ny fanaovan-gazety eto fa ny mifanohitra amin’izay aza. Ny mpanara-baovao sy ny fizotry ny tantara angamba no avela hitsara ny fitombonan’izay na tsia.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT