Minisiteran’ny raharaham-bahiny

Nomen’ny japoney fiara miisa 5


  • Talata 17 Jona 2025

Noraisina tetsy anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy

omaly ny fiara fiasana miisa 5 mitentina 2,3 miliara Ariary avy amin’ny tahiry mihary tombontsoa na «Fonds de contre-valeur» avy amin’ny firenena japoney. Fihetsika feno hatsaram-panahy izay manamarika indray ny firaisankina sy finamanana eo amin’i Japon sy Madagasikara izany, hoy ny fanazavàn’ny minisitry ny raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nilaza moa izy fa mankasitraka feno izao fihetsika feno fanohanana sarobidy avy amin’ity firenena ity izao ny governemanta malagasy. Ny antony, hoy izy, dia tojo fotoana stratejika eto Madagasikara mihitsy izany dia izao fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny SADC, izay tsy ho ela intsony izao. Hiasa bebe kokoa amin’ny lafiny ara-pitaovana mandritr’izany fotoan-dehibe izany ireto fiara ireto. Ny lafiny fampandrosoana maharitra, fampiofanana, fahasalamana, fisitrahana rano fisotro madio na koa fitantanana ny fiantraikan’ny loza moa no niarahan’ny firenena roa tonta niasa hatramin’izay. Manome toky ny fanjakàna malagasy fa hitandro sy hikojakoja izany fanomezana izany ary hitantana azy amin’ny fomba mangaraharaha, hoy hatrany ny minisitry ny raharaham-bahiny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT