Minisiteran’ny Fitsarana

Nihena ny trangana fanolanana nandritra 3 volana…


  • Talata 23 Aprily 2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

raha ny tatitry ny Minisiteran’ny Fitsarana tao anatin’ny horonan-tsary mitatitra ny asany nivoaka omaly alatsinainy. Tranga miisa 87 no nokirakiraina teo anivon’ny Fitsarana nanomboka ny 26 febroary namoahana ho manankery ilay lalàna mikasika ny famosirana na « castration », raha toa ka 302 ny tranga rehetra nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2024. Ny 133 tamin’ireo dia nandritra ny volana janoary, 101 ho an’ny febroary, ary 68 kosa ho an’ny volana martsa. Naneho noho izany io Minisitera io, fa nisy fihenany ny trangana fanolanana nokirakiraina. Voalaza hatrany moa fa 600 teo ny trangana fanolanana tamin’ny 2023, ary ny tranga 133 noraisina an-tànana ny janoary 2024, dia nanamafy ny tokony hanamafisana ny lalàna fanasaziana. Manamafy noho izany io Minisitera io fa ny famoahana ilay lalàna ho manan-kery no antony nahatonga ny fihenana mitaha amin’ny tranga teo aloha. Hatreto kosa, tsy mbola nisy ny tatitra ofisialy na efa nisy mpanolana nampiharana ilay famosirana na tsia, fa isan’ny Minisitry ny mponina hisantarana an’izany moa ilay lehilahy antsoina hoe: “Dawilly” nanolana zaza tsy ampy tao Imeritsiatosika. Raha hiverenana dia ny fanakianana ity lalàna ity ho tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana Malagasy sy ny fifanarahana iraisam-pirenena nataon’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eorpeanina eto Madagasikara no isan’ny nahatonga ny Fanjakana Rajoelina nangataka ny hanoloana azy, izay miandry ny fahatanterahany hatreto.
Toky R
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT