Minisiteran’ny Fitsarana

Nekena ny fanohanana nataon’ny vadin’i Kolonely Patrick


  • Talata 06 Mey 2025

Mikasika ny raharaha hifanolanan’ny « Ministère public » sy Rakotomamonjy Simon Patrick sy ny namany,

dia napetraka am-ponja vonjimaika ny voarohirohy Rtoa Randrianatoandro Harinomenjanahary Minoasina rehefa niatrika voalohany ny fampanoavana tamin’ny talata 29 aprily 2025, araka ny didim-pitsarana navoakan’ny mpitsara mpanao famotorana, izay nitsara tamim-pahaleovantena tanteraka, hoy ny fanambarana ofisialian’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny Cour d’Appel eto Antananarivo, ny Tribonaly Ambaratonga voalohany eto Antananarivo omaly 05 mey 2025. Nanao fanohanana na « opposition » an’io didy io izy ny alarobia 30 aprily 2025. Araka ny and.110 ao amin’ny Lalàmpanorenana manamafy fa ny mpitsara ao amin’ny fampanoavana dia fifehezan’ny amparatongam-pahefana, dia nahazo toromarika avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana ny Tonia mpampanoa lalàna na « Procureur de la République » mba tsy hanohitra ny fangatahana famotsorana vonjimaika ilay voarohirohy. Nomarihina fa ny fampanoavana mahefa namoaka didy no no manapa-kevitra mikasika izany, ary nanao izany tamim-pahaleovantena tanteraka ihany koa. Niteraka adihevitra moa io, izay betsaka ny olom-pirenena no mandika azy ho fomba entina iarovana ny Filoham-pirenena izay tratry ny kiana mivaivay fa mibaiko ny Fitsarana sy mandika lalàna. Misy aza ny mametra-panontaniana sy manokatra adihevitra hoe : raha tsy nisy ny baikon’ny filoham-pirenena ve dia nekena ny fangatahana fahafahana nataon’ilay olona ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT