Actualités

Minisiteran’ny fahasalamana Notoloran’ny Fondation BOA fiara 6


  • Talata 15 Septambra 2020

Nanolotra fiara tsy mataho-dàlana fitondrana marary miisa 06 ho an’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ny « Fondation BOA » sy ny « Madagascar International Container Terminal Services » omaly ny 14 Septambra 2020.

 

 

Nisolo tena ny fitondram-panjakana nandray ireo fiara ireo teny amin’ny CCI Ivato toerana misy ny CCO ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sady filoha lefitry ny CCO, Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Haparitaka any amin’ireo toerana saro-dàlana ireo fiara tsy mataho-dàlana satria any no tena ilaina azy noho ny tanjany, araka ny fanazavana. Nambara fa isan’ny tosika hanome fahasalamana manaja ny maha olona ho an’ny vahoaka malagasy (Humanisation des Soins) ireo fampitaovana ireo, ka notolorana fisaorana ny mpanolotra. « Mbola mitohy ny ady amin’ny Coronavirus ka ilaina ny fanomezan-tanana tahaka izao » hoy hatrany ny Minisitry ny fahasalamana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT