Actualités

Minisiteran` ny fitsarana “Niasa hatrany na nisy aza ny aretina”


  • Talata 22 Septambra 2020

“Na nisy aza ny valanaretina Covid 19 dia nanohy ny fomba fiasa maro samihafa ny minisiteran` ny fitsarana. Ao ny fametrahana rafitra maro samihafa ka amin` ity volana septambra ity dia mieritreritra hampiditra amin` ny filankevitry ny minisitra “avant projet de loi” miisa 3 ary “avant projet de décret”

 

 miisa 4”, hoy Imbiki Herilaza, sekretera jeneralin` ny minisiteran` ny fitsarana. Nisy ny tatitra nataony momba ireo asa vitan` ny minisitera nandritra ny sivy volana. “Teo ny naoty maro teo anivon` ny fitsarana izay mandrindra sy manatsara ny fomba fiasa eo anivon` ny juridiction: fanazavana indray ny antom-pisian` ny fanaovana tatitra sy ny fampitahana toromarika amin`ny lehibe raha misy raharaha mafàna. Eo ihany koa ny fanamafisana ny andraikitry ny ministeran` ny fitsarana amin` ny lafiny toekarena amin`ny resaka “sécurité d`investissement”. Mazava ho azy ny fisintonana lakolosy ny etika sy deantolojia eo anvon` ny minisitera. Maro ny fepetra natao teo anivon` ny CSM toy ny fanendrena vaovao sy famindran-toerana an` ireo mpitsara na nangataka amin` ny tokony nafindra”. Nambarany hatrany fa mitohy ny fanatonan’ny ministeran’ny fitsarana ny vahoaka Malagasy sy fametrahana ireo fotodrafitrasa any amin` ireo faritra lavitra, sy fametrahana fonj manaram-penitra ary fanalefahana ny fonja amin` ny alalan` ny PIP LFR 2020 (programme de l`investissement publique) izay nitentina 22 miliara ariary.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT