Nanamarika ny minisiteran’ny fitsarana tamin’ny alalan’ny talen’ny serasera Atoa Realy César Diderot fa tsy vaky izany ny fonjan’i Tsiafahy ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo, ary tsy nisy ny gadra tafatsoaka
Tonga teny Tsiafahy nijery ny zava-misy ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny fandraharahana ny fonja ny sabotsy, ary nanambara sy nanamarika fa tsy vaky ny fonjan’i Tsiafahy. Manao ny asany tahaka ny mahazatra ireo mpandraharaha ny fonja, milamina ny eny an-toerana. Nanamarika anefa ny tompon’andraikitra momba ny fandraharahana ny fonja eto Madagasikara fa tena tsy ampy fitaovana sy tsy ampy olona mihitsy izy ireo. Tsy ampy ny fitaovam-piadiana ho an’ny mpiambina ny fonja, misy ny fotoana voatery manofa taksibe mba itondrana ireo voafonja avy eny Antanimora mankeny amin’ny lapan’ny fitsarana eny Anosy. Tsikaritra ihany koa fa somary tara sy mandringa ihany ny resaka serasera eo anivon’ny fandraharahana ny fonja sy ny minisiteran’ny fitsarana amin’ny ankapobeny. Antenaina fa hisy kokoa ny mangarahara amin’ny manaraka mba hampirindra ny fampitana ny zava-misy marina amin’ny olom-pirenena sy ialana amin’ny ahiahy tsy hihavanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.