Ho fanohanana an` ireo toeram-pitsaboana sy ny toeram-piasan’ ny eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena (usine militaire) dia namatsy fitaovam-piarovana (EPI) izy ireo.
Tao aorian’ny Hopitaly Miaramila Soavianandriana dia nahazo ny anjarany indray omalu ny Fitaleanana eo anivon’ny Hopitaly Rezionaly Voalohany etsy Ampahibe sy ny Fitalevana eo anivon’ny fanompoam-pirenena sy fiandry eny Andohalo. Ankoatr’ireo dia efa nanomana tranoheva ny « Usine Militaire” hahafahana mandray ireo miaramila hikarakara sy ireo mararin' ny Covid-19 any amin’ny toerana tsy ahitana ny foto-drafitrasa ilaina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.