Misokatra ny fifaninanana hidirana ho manamboninahitra eo anivon’ny tafika malagasy......
Ny filankevitry ny governemanta natao ny 27 mey lasa teo no nanome alalana ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ho fanatanterahana ity fifaninanana ity manoloana ireo manamboninahitra nisondrotra grady sy lasa nisotro ronono. Tapaka tamin’izany ary fa hisy ny fandraisana mpianatra miisa 140 ho an’ny manamboninahitra lefitra, ary 24 kosa ho an’ny manamboninahitra mpitsabo. Ny 1 oktobra sy ny 1 novambra 2014 no hanatanterahana ny fifaninanana any amin’ny Akademia miaramila Antsirabe.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.