Maro ireo aretina azo avy amin’ny fanaovana jangoany na fanaovana maloto ankalamanjana eto amintsika ary faritra maro no mbola ahitana an’izany. Noho izay indrindra dia nanatanteraka atrikasa mba ho fisorohana ny fanaovana io aretina mampidi-doza io ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fikambanana Green Mahajanga.....
Mpandray anjara avy any Marovoay, Ambato-boeny sy Mahajanga I sy II no kendrena hahazo ity atrikasa ity. Tsy fampahafantarana fotsiny anefa no atao fa misy koa ny hetsika fanairana amin’ny loza aterak’izany. Fantatra fa tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana izao ny ady atao amin’ny fanaovana maloto ankalamanjana ity izay ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka no tompon’antoka amin’ny fanatanterahana azy. Anisan’ny antony iray izay andehanana matetika eny amin’ny tobim-pahasalamana ny valanaretina azo avy amin’io fomba ratsy io, indrindra ho an’ny ankizy latsaky ny dimy taona. Araka izay dia hifanome tanana ny rehetra amin’ity ady lehibe ity mba tsy hisian’ny loto miparitaka etsy sy eroa ary mba hadio ny tontolo iainana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.