Minisiteran'ny Atitany

Nitrangana fahamaizana goavana!


  • Alatsinainy 09 Febroary 2026

Loza tsotra sa misy ambadika?

Firehetana goavana tao Anosy Nisy firehetana lehibe namely ny trano sy ny birao fiasan’ny Minisiteran’ny Atitany sy Fitsijaram-pahefana etsy Anosy ny sabotsy 7 febroary teo. Ahiana ho noho ny akoson'aratra na "court-circuit" , saingy ny fanadihadiana lalina no mety hanamarina azy. Araka ny fanazavan’ny Jirama, dia voatery nanao fampiatoana vonjimaika ny herinaratra tamin’ny lalana 18 izy ireo, ho fepetra fisorohana noho ny afo nipoaka tao amin’ilay tranon’ny ministera. Ny tambajotra 18 dia manome herinaratra ny faritra maro, anisan’izany i Antetezana Afovoany, Manarintsoa, Andavamamba, Alliance Française, Complexe scolaire, LMA, Cité Ampefiloha, Ambalavao (Isotry), CNaPS, Ampatsakana ary ny faritra manodidina ny Carlton. Na dia nanahirana aza noho ny haavon’ilay trano sy ny rivotra nanampy ny fiparitahan’ny afo, dia haingana ny fandraisan’andraikitry ny mpamono afo ka voafehy tsy ela ny lelafo. Araka ny nambaran’ny Minisitra ny Atitany, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray, dia tao amin’ny rindrina faha-7 no nipoaka ny afo, ka nahavoa birao folo teo ho eo, izay efatra tamin’ireo no simba tanteraka. Tsy Mbola fantatra mazava kosa hoe dosie tahaka ny ahoana no may? "Rehefa nandalo ka niditra tato amin'ity ministera ity aho ny volana desambra 2025 lasa teo dia gaga mahita ireo karazana fils électriques mikorozaroza sy mandady eraky ny trano sy lalantsara. Matetika "court-circuit" no mahatonga ny toe-javatra toa izao.", hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika Guy Randrianarisoa. Maro ihany koa no mieritreritra sy manahy fa misy ambadika politika ny tranga, indrindra eo anatrehan'ny ny maha stratejika ny Minisiteran'ny Atitany. Fahamaizana toy ny loza rehetra tokoa ve sa sanatrian'ny vava misy ambadika politika sy asa fanakorontanana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT