Teratany vahiny iray no tratra nanao asa fisolokiana milaza ho mahavita VISA SCHENGEN.
Nanao publication tamin’ny tambajotran-tserasera facebook ity lehilahy ity izay nilaza sy nampahafantatra ireo izay olona hivoaka an'i Madagasikara ka mila visa. Nampanantena izy fa afaka manao ny taratasy rehetra amin'izany kanefa rehefa tonga ny fotoana handehanan' ilay olona dia tsy afaka mandeha akory izy. Misy olona efa nazahoany 34. 529 000Ar, 10. 494 000Ar ary 17. 370 000Ar izany hoe : hanaovana an'io visa io. Ireto farany izay tratran'ny fanararaotana no tonga nametraka fitoriana teny amin'ny Polisy ka izao tratra izao ity teratany vahiny ity. Marihana fa raha vao vantany mitondra taratasy ao amin'ity vahiny ity fotsiny dia efa asainy mandoa 200. 000Ar. Natolotra ny fampanoavana omaly ny anaolahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.