Mila tolo-tanana i Poon

Marary mafy tampoka ao Frantsa


  • Alatsinainy 24 Martsa 2025

Mila tolo-tanana, marary mafy tampoka ao Frantsa i Poon Ranaivoarisoa na Poon

 ao amin’ny tarika Gasy Band, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Hisy ny hetsika tolo-tanana ho tontosaina mikasika izany ao an-toerana ny zoma 4 aprily manomboka amin’ny 7 ora hariva, ora any an-toerana, ao amin’ny Lapa event, 8 rue des cerisiers, 91010 lisses. Toy izany koa ny 12 aprily manomboka amin’ny 9 ora alina, ora any an-toerana hatrany, ao amin’ny 26, chemin du pas de la cote, 33140 Villenave d’Ornon. Efa nisy koa ny sabotsy teo ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto Tovo J’hay, izay manao fitetezam-paritra any an-toerana, ary isan’ny nanampiana ity mpanakanto misedra olana ara-pahasalamana ity. Ho an’ny eto Madagasikara moa dia ny laharan’ny findain’ny vadiny, Volanirina Helisoa, 0346074751, no azo hanampiana azy, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo hatrany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT