Manomboka misamboaravoara be indray ny raharaham-pirenena. Raikitra ny fitokonana sy fitakiana eny Ankatso, niakatra ny renivohitra ny mpianatry ny Polytech avy eny Vontovorona. Mitombo isa noho izany ny mpianatry ny ambaratonga ambony migrevy ary miha mafy ny fitakiana, niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana dia raikitra indray ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso
. Misy akony ratsy hatrany amin’ny olon-tsotra ilay fitokonana. Niakatra tsimoramora ihany koa ny vidin-tsolika, tranga efa tsy dia nanaitra firy ny olona intsony satria efa tamin’ny volana janoary no nalefa ny fanasana atidoha handresen-dahatra ny tsirairay fa tsy maintsy ampiharina eto ny vindin’entana tena izy, takian’ireo mpamatsy vola. Asa izay mety ho fiantraikan’ity sondrobidy ity amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ao anatin’izao vanim-potoan’ny fanadinana izao. Mandritra izany rehetra izany dia miditra amin’ny andro farany ny fikaonandoham-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana eny amin’ny CCI, andrasana anio ny fehin-kevitra. Mandeha be ny resaka fa olona efa nosafidiana manokana ny ankamaroan’ireo mpizaika ka fombafomba fotsiny ihany ilay fivoriambe fa ny fehin-kevitra efa voavolavola mialoha. Tahaka izany ihany moa ny fomba fiasa tamin’ny nandrafetana ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha-4 tamin’ny 2010. Midika izany rehetra izany fa tsy milamina ny eto. Na tena misy manakorontana na ny mpitantana sy ny mpitondra mihitsy no tsy mahafehy ny toe-draharaha. Vao enim-bolana nitondrana ve dia tahaka izao sahady ny zava-misy ? Dia ahoana moa ny mety hitranga eto izany afaka roa na telo taona ? Tena maro mantsy ireo mihevitra fa sarotra ho an’ity fitondrana ity ny hamerina amin’ny laoniny ny toe-draharaha satria efa tena lalim-paka ny fahapotehana. Ireo manampahefana rahateo moa toa mamerina ny fomba tsy mety nataon’ny teo aloha ihany ka vao miha sarotra ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.