Ireo mpandraharahan’ ny oniversite Mahajanga indray no nidina an-dalambe omaly alatsiniainy tokony ho tamin’ny 9 ora maraina teo
Nobahanan’ireo mpitokona ny arabe mihazo ny Cathédrale miaraka amin’ny sora-baventy milaza ny tsy fanekena ny fanalana ny filohan’ny oniversite ny profesora Rabesa Zafera Antoine eo amin’ny toerany. Taorian’izay dia tonga ny mpitandro ny filaminana avy eo anivon’ny Emmo-Reg ka nifampiraharaha tamin’ireo mpitokona mba tsy hibahanana ny lalam-bahoaka. Tsy nanaiky ny hiala teo anefa ireo mpitokona fa nisafidy ny hijanona teo an-dalambe hatrany. Raikitra ny toraka baomba mandatsa-dranomaso, in-telo nirefotra avy amin’ny Emmo-Reg ka nisahotaka ny tanàna. Valo ireo voasambotra ary ny iray amin’ireo no naratra mafy teo amin’ny lohany.Raha ny fantatra dia saika hidina an-dalambe hamakivaky ny tanàna ireo mpandraharaha mpitokona ireo ka izao voasakana ny mpitandro ny filaminana izao. Maro ny milaza fa hiteraka korontana mahery vaika ao Mahajanga ity raharahan’ ny onivertsite ity satria maro ireo voatohintohina amin’izao korontana lavareny izao. Samy nanakatona ny tsenany avokoa ireo mpivarotra rehetra tao Mahajanga raha nahare ny zava-nitranga teny amin’ny Cathédrale iny mba ialana amin’ny fandrobahana hiseho toy ny nataon’ireo mpianatra ny oniversite ny herinandro lasa izay. Raha ny fahitan’ny olona any an-toerana azy dia azo lazaina fa hihamafy hatrany ny fitakian’ireo mpandrahraha mpitokona ireo. Ireo mpanararaotra kosa dia efa miandry ny sakoroka tahak’ireny niseho omaly ireny ka vonona ny hanakorontana ny tanànan’i Mahajanga. Maro ireo manome tsiny ny fanjakana amin’ity rahraha ity indrindra io fanesorana ny profesora io satria dia miteraka korontana tsy misy fijanona izao tranga misy izao hoy ireo vahoaka. Nihena arak’izay koa ireo mpiala sasatra tongan any an-toerana raha vao naheno an’izao korontana lavareny io. Lasa tanànan’ ny korontana i Mahajanga tato ho ato izay satria dia isan-kerinandro misy hatrany ny fidinana an-dalambe ataon’ireo vahoaka. Midika ve izany fa tsy mahafehy ny vahoaka ny mpitondra any an-toerana sy ny fanajakna foibe?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.