Actualités

Mihorohoro i Manakara Navoakan’ny Fanjakana ireo mpanao «kidnapping»


  • Alatsinainy 15 Septambra 2014

Nomen’ny Fitsarana ambony ao Fianarantsoa fahafahana vonjimaika ireo mpanao «kidnapping» nampihorohoro tao Manakara.

Valo mianadahy izy ireo no navoaka tao amin’ny fonjan’i Manakara nitazomana vonjimaika azy ireo. Ny zoma teo no nivoaka ny didy. Toy ny  vara-datsaka no nandrenesan’ny mponina tao Manakara ny vaovao, ary samy gaga avokoa ny rehetra sady velom-panontaniana hoe : fa inona no nitranga tany ambonimbony tany ? Tamin’ny fiandohan’ny volana jona no niseho ity fakana an-keriny ity. Mpandraharaha sinoa zanatany ao Manakara no lasibatra, avy nanidy tsena hariva ary niomana hamonjy fodiana izy no lasibatra. Nipoapoaka ny basy tamin’izay, satria tao afovoan-tsena toerana be olona no nitrangan’ity fakana an-keriny ity tamin’izay. Votsotra teo am-pelatanan’ireo olon-dratsy anefa ilay mpandraharaha, saingy naratra. Nitsoaka ary nifanenjehana ireo jiolahy. Nataon’ny zandary ny sakana tamin’ny lalam-pirenena mivoaka sy miditra an’i Manakara. Tany Vohipeno, efa nikasa hiakatra aty Antananarivo no sarona ny sasany. Tafakatra folo mianadahy ireo voarohirohy, ary notanana am-ponja vojimaika tao Manakara. Tratra ihany koa ary nogiazana ny fiara Peugeot 205 sy fiara 4x4 nampiasan’izy ireo. Nangataka fahafahana vonjimaika tamin’ny tribonaly ambaratonga voalohany ireo mpaka an-keriny fa tsy nahazo, dia io navotsotry ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Fitsarana ambony tao Fianarantsoa io ny valo tamin’izy ireo, ka anisany ilay tena atidohan’ny fakana an-keriny. Mihorohoro i Manakara iray vohitra ankehitriny indrindra ny mpandraharaha manoloana izao toe-javatra izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT