Actualités

Mihetsiketsika ny minisitra Jules Etienne Efa an-dalana ny fanokafana ny Tiko


  • Alakamisy 03 Jolay 2014

Hitsidika orinasa roa ao Antsirabe anio ny Dr Jules Etienne Rolland, minisitry ny Indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina, ka ny COTONA sy ny TIKO no hojereny. Efa nampanantena ity minisitra ity raha nihaona tamin’ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny 17 jona lasa teo fa tsy maintsy karohana ny fomba hanokafana sy hanohanana ny orinasa Malagasy............

ka tohin’ny izay fanambarana izay izao fidinany ifotony any Antsirabe izao. Samy manana ny maha izy azy ny COTONA sy ny TIKO eo amin’ny toekarem-pirenena, na dia tsy mbola mihodina ara-dalàna aza ity farany noho ny fanapotehana azy nandritra ny fitondrana tetezamita. Mitory ny fahavononana sy finiavan’ny fanjakana  hanohana ny orinasa Malagasy izao fihetsika izao no sady azo adika ho fanomezan-tosika ho an’ny toekarena any amin’ny faritr’i Vakinankaratra ihany koa, satria any no misy ny orinasa ary ny mponina any no miasa sy hiasa ao. Azo heverina ihany koa amin’ny alalan’izao fihetsika izao fa efa an-dalana ny fanokafana ny orinasa TIKO.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT