Mbola mandrafitra paikady ve sa mody fanina mihitsy momba ilay fifidianana ben’ny tanàna ny mpitondra ? Miandry vasoka mantsy hatramin’izao. Tsy nisy resaka na dia fehezanteny iray aza ny momba azy io nandritra ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra tamin’ity herinandro ity
Ny siosion-dresaka nandeha anefa dia ny hoe tokony ho omaly 17 jolay no natomboka ny fivoriana tsy ara-potoan’ny antenimieram-pirenena mba handinihana ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana kaominaly sy ny mahakasika ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2014. Na ny filohan’ny solombavambahoaka aza dia efa nanantena ny fanombohan’io fivoriana io tamin’ity herinandro ity. Manana ny eritreriny sy ny kajiny ny fahefana mpanatanteraka ka dia miandry aloha fa gasy ! Mila fotoana anefa ny fandinihana ity volavolan-dalàna hitantanana ny fifidianana kaominaly ity fa tsy atao maimaika ka ho vita ao anatin’ny 2 na 3 andro. Raha tsy tonga eny Tsimbazaza ato anatin’ny herinandro izy io dia mety hampanahy ihany ny hahavitan’ny fifidianana ben’ny tanàna ao anatin’ny vanim-potoan’ny main-tany. Dia sanatria ve ambara fa tranga miavaka indray no misy ka tsy maninona fa aleo volana novambra na desambra ao anatin’ny orana no hanatanterahana ilay fifidianana ? Na any amin’ny volana janoary mihitsy, dia tsy voahaja ilay tetiandrom-pifidianana nifanarahana ary mihemotra ihany, mihemotra hatrany ny fametrahana ny rafitra sy ny famahana ny krizy. Dia hitombo ihany ny olana amam-pahasahiranana, dia ho avy ny fifandiran-kevitra, hipoitra ny disadisa politika dia raikitra indray ny savorovoro. Raha hanatsarana ny zavatra atao tokoa moa no anton’ny fampihemorana, dia efa izay izany no izy. Ny mampanahy dia mety ilay tsy mbola fahavononan’ny antokon’ny fitondrana no tena antony hampihemorana ny fifidianana. Manaratsy endrika ilay fitondram-panjakana vaovao mijoro anefa io, ka asa raha mba mandini-tena ihany ry zareo ao ambonimbony ao na dia tsy te hahalala fa dia izay tiana ihany no atao. Fa angaha moa tsy maika indray ny fanovana ny fomba fiasa sy ny fanarenana ilay firenena e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.