Actualités

Mihari-Ni-Rencho “Hiverina hihiboka isika aorian’ny Bakalorea”


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

Mivoy ny fomba fijery afovoany ny antoko politika Natiora saingy nisafidy ny hiditra ao anatin’ny rodoben’ny mpanohitra na RMDM satria misy fitantanana tsy mety eto ary rehefa miteny izahay dia tsy henoina, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihary-Ni-Rencho.

 

 

 

Noho izany dia tsy maintsy mitady sehatra hihanoina anay. Raha ny zava-misy ankehitriny momba ny fihibohana dia mahagaga fa tsy voafehy hatrany am-boalohany ny ady amin’ny Covid 19. Niteny ny filoham-pirenena fa ny faran’ny volana aogositra no ho voafehy izany. Fa angaha moa ny filoham-pirenena no nanao an’io ka hahafantatra ny fiafarany, hoy ny fanontaniany? Tsy ny olona mitondra ny aretina no mihena fa ny fitiliana atao. Teren-ko masaka ny fanadinam-panjakana ary mino aho fa hilaza ny filoham-pirenena amin’ny herinandro hoe miasa ny taksibe satria hanao fanadinana ny ankizy. Vita ny BEPC na Bacc dia tsy maintsy hitombo indray io tarehimarika io satria maro ireo voan’io fa tsy manatona ireo toera-pitiliana fa any amin’ny dokotera tsy miankina. Tsy miara-miasa amin’ireo ny fitondrana satria raha manome tarehimarika ireo dia be dia be no olona voa an’io. Rehefa vita ny Bakalorea dia hamoaka tarehimarika indray ny fitondram-panjakana fa niakatra ny isa dia hidiana dia toy izany foana no atao eto, hoy hatrany izy. Hiverina hihiboka indray isika, hoy izy, aorian’ny Bakalorea raha izao ka ny vahaolanay dia hoe omeo fanampiana 500 000 ariary ny isan-tokantrano dia ahiboka in-dray mandeha ao anatin’ny iray volana dia milamina io.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT