fanazavan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany. Fanapahan-kevitry ny governemanta tamin’ny iray volana lasa izy io, ary tsy maintsy noraisina satria efa tena maro loatra ny tany lasan’ny orinasa eto Antananarivo.
Tsy ampy handinihana ireo volavolan-dalàna 12 izay misy volavolan-dalàna fehizoro 2 ny 12 andro ivorian’ny antenimieram-pirenena, hoy i Maitre Hanitra Razafimanantsoa
Tsy hiasa ho amin’ny fanomanana ny fifidianana kaominaly intsony aloha ny CENIT mandra-pahalanin’ny antenimieram-pirenena ny lalàna hifehy izany fifidianana izany.
Hamokatra fiara vita malagasy miisa 200 isan-taona i Madagasikara amin’ny taona 2017. Fiara 4x4 izy ity, Mazana II no iantsoana azy, hafarana avy any Frantsa ny motera. Mahazaka olona 6 ny fiara, ary ny orinasa Karenjy ao Fianarantsoa no hanamboatra ny fiara.
Noraofin’ny mpiasan’ny kaominina avokoa ny fitaovan’ireo mpanasa fiara teny Ampefiloha sy Anosy omaly. Tafiditra ao anatin’ny asa fanadiovana ny tanàna izao, nanambara ny kaominin’Antananarivo Renivohitra fa efa nisy ny fampandrenesana iray volana lasa izay. Manitrikitrika kosa anefa ireo mpiasa tena manasa fiara fa tsy rariny ny zavatra tahaka izao ary tokony mba nisy ihany aloha ny fifampiresahana.
Efa ny 35%-n’ny taratasim-panadinana no voatsara eny amin’ny Ceg Cite Itaosy. Ny taranja Malagasy no vita mialoha. Afaka roatokombolana no hivaly io fanadinam-panjakana io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.