Mihafamafy indray ny delestazy

Tara ny solika fa tsy ampy vola sy bokan-trosa ny Jirama…


  • Alarobia 03 Jolay 2024

Voatery miroso amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby isika ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo,

izay haharitra ora iray sy sasany isika anio talata 02 Jolay, eo anelanelan'ny amin'ny 1 Ora folakandro sy amin'ny 5 Ora hariva sy eo anelanelan'ny amin'ny 10 Ora alina sy amin'ny 4 Ora maraina, hoy ny seraseran’ny Jirama omaly. Nomarihina fa misy fahatarana ny famatsiana solika mavesatra hampihodinana ireo milina mpamokatra herinaratra saika manerana an'i Madagasikara, izay nolazain’ny Jirama fa tsy miankina aminy. Tsy maintsy mitsitsy ny solika eo am-pelatanana arak'izany ny Orinasa JIRAMA mba tsy hahatongavana amin'ny fahatapahan-jiro faobe, raha ny fanazavana. Tena fahatarana solika sa olana ara-bola hividianana solika ? 10 andro aty aorian’ny fanambarana ny fankatoavan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena na ny FMI ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) sy FRD (Facilité pour la résilience et da Durabilité) 660 tapitrisa dolara anatin’ny 3 taona no miseho izao tranga izao. Nifanindran-dàlana tamin’io rahateo ny tatitry ny Fanjakana nilaza fa misavovona hatrany amin’ny 1 444 miliara ariary ny trosan’ny mpamatsy solika amin’ny Jirama ho an’ny taona 2023, ka nanosika ny fanjakana hanohy hanome fanampiana ara-bola ny Jirama amin’ny tetibolam-panjakana LFR 2024. Ny Jirama izay isan’ny tratry ny tsindry ara-pitantanana mba hialana amin’ny vesatra ara-bola aterany amin’ny tetibolam-panjakana, ka irosoana tsikelikely ny vidiny tena izy na « vérité de prix », tsy maintsy handefa tatitra isam-bolana amin’ny FMI, tsy maintsy mamoaka ampahibemaso ny fifanarahana rehetra nosoniaviny, mandefa ny drafi-panarenana ny Jirama mialohan’ny novambra 2024,… Mbola henjana ny mety ho fiantraikany fiakaran’ny vidin-tsolika amin’ny Jirama raha tsy misy sarany manokana ho an’io orinasa io. Ho an’ny menaka mavesatra rahateo, dia mbola ny avy any ivelany no ampiasaina fa tsy ny an’ny Madagascar Oil vokarina avy any Tsimiroro,… Zava-dehibe ny firosoana amin’ny angovo azo havaozina, saingy mbola ho ela. Nilaza ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo Thierry Andriantsoa Atoa raha ny hita tamin’ny haino aman-jery omaly, fa ho avy ny tetikasa famokarana angovo any Ranomafana sy Sahofika, serasera efa fandre. Efa hanomboka i Ranomafana, an-dàlana ny adihevitra mikasika an’i Sahofika. Tsy mamokatra fotsiny isika, fa tsy maintsy taterina ireo, ka efa an-dalana ny PRIRTEM 1 Antananarivo-Toamasina, Atoa Thierry Andriantsoa. Mbola lavitry ny kitay ny afo hatreto raha hiandry an’izay vao hivaha ny olan’ny angovo, izay misy fiantraikany goavana amin’ny famokarana sy toekarena. Manamafy ny maha isan’ireo firenena 10 voalohany fadiranovana ara-angovo antsika eto ambonin’ny tany !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT