Miha mahery vaika

indray ny « opération varira »


  • Talata 19 Mey 2026

Zaza iray notapahan-doha tany Marovoay,

iray hafa tsy hita popoka tao Betroka
Zaza varira vao 13 taona monja no nisy nanapa-doha, ka lasan'ireo dahalo ny lohany ny alahady 17 mey 2026 teo, tao amin’ny fokontany Tanamivony kaominina Marosakoa distrikan’i Marovoay. Lehilahy miisa 4 nirongo zava-maranitra no voalaza fa niditra an-keriny tao an-trano, ka avy hatrany dia nanambana fitaovam-piadiana ireo Ray aman-dRany tao an-trano sy nanao io fihetsika feno habibiana io. Ity zazalahy 13 taona ity izay avy any Mampikony fa noho ny fiarovana ny ainy no nitondrana azy tany an-toerana, saingy izao mbola lasibatry ny habibiana tsy roa aman-tany izao ihany, raha toa ka tafatsoaka kosa ny anabaviny. Efa eo am-pelantanan’ny zandary any an-toerana ny raharaha, ary efa mandeha ny fanarahan-dia sy fitadiavana ireo nahavanon-doza amin'izao fotoana izao, hoy ny tatitra. Tao Ivaona Betroka indray, zaza 8 volana manana toe-tena varira no mbola tsy hita hatramin’izao na dia efa nisy aza ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona ka nisy jiolahy voatifitra antsoina hoe Rambo. Mampiahiahy indray ny tranga mahazo ireo olona manana toe-tena varira eto Madagasikara, hoy ny Albinos Madagascar, izay mahatsapa fa mbola mitohy ny fanilikilihana sy ny habibiana atao amin’ireo olona manana toe-tena varira. Miantso ny fitondram-panjakana handray fepetra hentitra hiarovana ireo olona manana toe-tena varira izy ireo. Manodidina ny 800 hatramin’ny 1000 ny isan’ny olona manana toe-tena varira eto Madagasikara raha ny antontan’isan’ny Albinos Madagascar. Ho an’ny taona 2025 fotsiny, nahatratra 24 ny fakana an-keriny varira izany hoe manome salan’isa roa isam-bolana, ary nahatratra 12 ny namoy ny ainy. Mbola tsy tena misy porofo ara-tsiantifika mazava kosa ny antony hakana ny taovan’izy ireny toy ny maso, fa karazana finoanoampoana sy asan’ny maizina no betsaka toy ny hoe : ampiasain’ny dahalo hanaovana maso be tsy mahita ny masony,… saingy tsy tena mbola nisy porofo mazava ihany koa hoe tena izay ve no hampiasana azy sa antony hafa mihitsy ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT