Hafahafa rehefa ny pastera natao hitory ny fahamarinana sy hitondra ny olona any amin’ny fanjakan’Andriamanitra indray no lasa any am-ponja
Sady mampieritreritra izy ity no mampametra-panontaniana hoe : asan’Andriamanitra sa asan’ny satana no iraka tanterahiny ? Notorian’ireo mpiangona tao aminy taloha ny Pastera malaza iray amina fiangonana sekta mitandrina ny andro sabata, manana ny foibeny eto an-drenivohitra. Anisan’ny iampangana azy ny fibodoana fananan’olona, fanozonana olona eny ambony alitara, ny fanararaotana ara-tsaina atao amin’ny mpiara-mivavaka. Tsy teto an-drenivohitra ihany no nitrangan’izany fa hatrany Fianarantsoa any, ka nitarika fialana mpivavaka maro rehefa nahatsapa fa lalan-diso no itondrana azy ireo. Izay nisintaka anefa dia iharan’ny fanenjehana ataon’ingahy pasy, ary nigadra mihitsy aza ny sasany. Nijoro ireo mahatsapa fa anjakan’ny tsindrihazolena sy iharan’ny tsy rariny ataony ka nitondra ny raharaha teny amin’ny Fitsarana. Nandalo fampanoavana omaly ny raharaha ary dia notanana am-ponja vonjimaika avy hatrany eny Antanimora ilay pastera, miandry ny fitsarana azy rahampitso.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.