Mibaboka ny Tale Jeneralin’ny Jirama

« Mila famatsiam-bola, tsy ho vita anatin’ny fotoana fohy »


  • Alarobia 17 Jolay 2024

Mihamafy ny olan’ny herinaratra, fa tsy arakaraka ilay serasera natao hoe :

roa andro aorian’ny fahatongavan’ny solika dia hilamina ny olana. Niovaova teo ny serasera ka nolazaina fa tsy ampy kamio, olana teknika,… ka karazana fampandriana adrisa no betsaka ! Tsy mijanona eo amin’ny herinaratra, fa hatramin’ny rano olana be saika manerana an’Antananarivo, izay efa notaterintsika teto ihany, fa mahatratra 60 000m3 isan’andro ny fahabangana, ka ny volana aprily 2024 teo dia tafakatra 49% amin’ny eto Antananarivo no voasokajy ho faritra mavo tsy misy rano afatsy amin’ny alina, ary 18% ny faritra mena izany hoe : tsy misy rano mihitsy, araka ny dosie stratejika azo teo anivon’ny Jirama. Naneho ity orinasa ity omaly 16 jolay tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraliny Ron Weiss, fa efa misy ny drafitra natolony tamin’ny fitondram-panjakana mitsinjara 3 dia : drafitra ara-pitantanana, drafitra ara-teknika, drafitra ara-bola. Andrasana ny fahazoan-dàlana ahafahana manatanteraka izany, ary niaiky ny Tale Jeneraly fa mila famatsiam-bola ny fanatanterahana izany, ary tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy. Manana ekipa azo iaraha-miasa hamahana ny olana misy ny eo anivon’ny Jirama, hoy izy. Miankina amin’ny ara-bola anefa ny zava-drehetra raha raisina amin’ny voalazan’io mpitantana io. Miankina amin’ny drafitra ara-bola efa natolotra ny Fanjakana izany ny vahaolana, izay heverina fa tena sarotra, raha raisina amin’io efa trosa misavovona tsy voaloan’ny Fanjakana amin’ny mpamatsy solika io, izay mahatratra 1500 miliara Ar. Ny teo anivon’ny Jirama izay efa naneho, fa ny volan’ireo mpandraharaha sy mpamatsy madinika eo amin’ny 129 miliara Ar ihany no voarakotry ny vola azo avy amin’ny faktiora ka azony hefaina, fa ny an’ireo mpamatsy lehibe tsy maintsy ilàna vonjy amin’ny Fanjakana. Raha atao ny kajy dia 25 miliara Ar isam-bolana mandritra fe-potoana iasan-dRajoelina ao anatin’ny 5 taona vao voahefa ny 1500 miliara Ar. Ny trosa aza manahirana, dia manana hoenti-manana ara-bola hoenti-manarina ny Jirama ve ny Fanjakana Rajoelina ? Ny mpiara-miombon’antoka ara-bola amin’i Madagasikara toy ny Tahirimbola iraisam-pirenena na ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena manao tsindry ny amin’ny hampihenana ny fanatosahana vola amin’ny orinasam-panjakana sy ny tontolon’ny solika, mba tsy ho vesatra goavana amin’ny volam-panjakana. Mpiara-miombon’antoka amin’ny fanarenana ny Jirama ihany koa anefa ny FMI ka asa tena hamoaka vahaolana ve sa hanamafy ny fepetra ? Na tiana na tsy tiana dia vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy famotehana niniana nikipiana ny zava-misy, ary henjana ny fanarenana. Nahoana talohan’ny fanonganam-panjakana 2009 nanana ambim-bava sy tombom-barotra 60 miliara Ar mahery ny Jirama kanefa izao bokan-trosa an’arivony miliara ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT