Mibaboka hatrany ny Fanjakana

« Tsy mahasehaka ny famokaran’ny Jirama ny vola miditra»


  • Alakamisy 17 Oktobra 2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

izay mbola vidiana amin’ny tsy miankina. Manodidina ny 22 cents dolara na eo amin'ny 1 000 ariary, isaky ny kWh ny vidin'ny famokarana herinaratra, raha ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Angovo Atoa Olivier Jean-Baptiste. Ny salan’isan’ny vidiny ho an’ny mpanjifa rehetra na ny tokantrano na ny orinasa, anefa dia manodidina ny 12 cents dolara, izay eo amin'ny 550 ariary, isaky ny kWh. Navoitran’ny minisitry ny angovo tao anatin’ny fivoriana momba ny famatsiam-bola ny toetr’andro fa Jirama dia mbola mitohy miodina anaty fatiantoka satria tsy ampy ny vola miditra hanampy amin'ny fandaniana. Manodidina ny 85 miliara ariary hatramin'ny 100 miliara ariary ny vola miditra isam-bolana, raha toa ka manodidina ny 140-170 miliara ariary isam-bolana ny fandaniana. Ity toe-javatra ity dia misy fiantraikany, izay tsy vitan'ny hoe amin'ny asa fanao andavanandron'ny orinasa, fa amin'ny teti-bolan'ny Fanjakana ihany koa. Mbola tsy maintsy mitondra tohana ara-bola ho an’ity orinasam-panajakana misahana ny rano sy ny herinaratra ny Fanjakana, amin'ny alalan'ny fanampiana, mba hanampy azy hiantohana ny tolotra ho an'ny mpampiasa herinaratra. Mandeha hatrany ny fanomezana toky fa misy fanavaozana efa tanterahana sy hafa mbola ho avy, ka anisan’ny zava-dehibe ny fampihenana ny vidin'ny famokarana.
AZO TRANDRAHANA HO AN’NY ISAN-TOKANTRANO NY MASOANDRO !
Vahaolana naroson’i Tahina Razafinjoelina momba ny angovo izay azo atomboka eto Antananarivo moa ny fampiasana ny angovo madio amin’ny alalan’ny « panneaux solaires » satria isika manana masoandro amin’ny maha firenena tropikaly. 1500Watts hatramin’ny 3000Watts no ilain’ny tokantrano tsirairay. 2500Ar ny 1Watt ka 7 500 000 Ar eo izany ny vidin’ny herinaratra. Marina fa mety hoe : tsy manana an’izany, fa andao haloan’ny olona 36 volana, hatokisana ny vahoaka, ka ny vola aloa any amin’ny Jirama no handoavana an’io, fa azony ny « panneaux solaires » miaraka amin’ny « batteries » amin’ny 100 000Ar hatramin’ny 200 000Ar isam-bolana. Tsy maintsy hanangana ny « Direction électrification urbaine » eo anivon’ny kaominina hatomboka amin’ny 2000 tafo. 300 000 ny tafo, ny antsasak’ireo no mampiasa « panneaux » dia mihena antsasany ny fampiasana Jirama. 160 tapitrisa euros ny teleferika, eto Antananarivo 160 000 tokantrano, ka mahavita « solaires » ny tokantrano eto Antananarivo izany, raha ny kajikajy nataony.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT