Niakatra ny feo tao amin’ny biraon’ny «groupement» zandarimariam-pirenena ao Miarinarivo Itasy omaly.
Avy nisambotra olona tany Ankadinondry Sakay ny zandary, fanafihana nitranga tamin’ny faramparan’ny volana mey 2014 nahaverezana vola 4 tapitrisa Ariary. Dimy lahy no voasambotra, ireo indray no nanoro ny «atidoha»-n’ny fanafihana. Teo am-panangom-baovao ireo mpanao gazety avy amin’ny orinasan-tserasera samihafa no nisy mpisolovava iray nanao be fiavy sy nandrahona azy ireo, ary nilaza fa “hifankahita any amin’ny Fitsarana”. Hatramin’ireo zandary tompon-trano aza zendana tamin’ny fihetsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.