Actualités

Miaramila tratra nanendaka Nidoboka ao Ambalatavoahangy


  • Sabotsy 07 Jona 2014

Miaramila iray mbola amperinasa ao Toamasina no tratran’ny Zandary nanendaka scooter Jog 50 tao Salazamay ny harivan’ny 27 mey 2014.

 Nampiasa basy PA nisy bala 07 izy sy ny namany iray nandritra izany. Olona mpivady no niantso ny Emmo-Sécurité vao lasa izy roa lahy mpanendaka ireo. Haingana ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana ka tratra tsy lavitra ny toerana nanendahany ny iray. Natsipin’ilay miaramila tamin’ny tany kosa ilay PA teny aminy ary nitsoaka izy. Raha nandeha ny fanadihadiana ary nosavaina ny tranony tao amin’ny toby misy azy. Tratra tao ilay moto halatra, nahitana basy “Mac 50” iray hafa izay sady tsy an’ny tafika no tsy azy, niampy fitaovana maromaro azony tamin’ny fanendahana sy halatra. Natolotra ny fitsarana tamin’ny 31 mey teo izy roalahy, ka notanana am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy ilay miaramila raha nohafahan’ny fitsarana vonjy maika kosa ilay namany. Raha nanontanian’ny mpanao gazety ny lehiben’ny toby miaramila 1/RM3 Toamasina, ny Kly Rabemonina, dia nilaza fa efa tsy miaramila miasa eo anivon’ny toby hatramin’ny 2012 io voasambotra io, ary tsy mipetraka ao anatin’ny toby ihany koa fa mipetraka amin’ireo trano manodidina. Na eo aza izany, dia tsy nahitana izany “Ex-Militaire” sy mipetraka ivelany toby izany ny raharaha. Ankoatra izay, mandeha koa ny resaka izao fa izany “Serza” miaramila izany no mpitarika ny “Maro Andavaka”, andian-jiolahy mandravarava ao Andranomadio Toamasina, koa ho hita eo ny tohiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT