Actualités

Miaramila mivangabao any Frantsa Mandray karama tsy tapaka


  • Sabotsy 21 Oktobra 2017

Misy miaramila tsy fantatra mazava na mbola miasa eo anivon’ny tafika Malagasy na tsia intsony amin’izao fotoana, saingy mbola mandray karama tsy tapaka raha ny vaovao azo.

Nalefa nanaraka fiofanana any ivelany izy ireo ary voasoratra mazava tsara ny fotoana hahafahany mijanona any. Miisa 7 eo, ohatra, no nandeha teo anelanelan’ny taona 2009 ka hatramin’ny 2014, ka tany Frantsa no ankamaroany. Hatramin’ny volana oktobra 2016 anefa izy ireo no tsy niverina an-tanindrazana, raha ny loharanom-baovao azo. Manodidina ny herintaona avokoa ny halavan’ny fotoana voasoratra mazava tsara hahafahan’izy ireo mijanona any ivelany, toy ny hoe 2009-2010, 2012-2013. Midika izany fa nisy ny mety ho tsy fanarahan-dalàna na koa kolikoly goavana, ka hahafahan’ireo miaramila sokajiana ho mpivangabao sy efa manana ny fiainana manokana na asa hafa mihitsy any an-dafy kanefa mbola misitraka soa aman-tsara ny volam-panjakana karamany aty an-tanindrazana ihany. Fanontaniana mipetraka ny hoe : ara-dalàna ve ny nandraisan’izy ireo karama taorian’ny fahataperan’ny fiofanana, kanefa tsy niverina tamin’ny asany ? Hotakian’ny fanjakana aminy ve ny volabe voalaza fa karamany tao anatin’ny taona vitsivitsy na tsy teo anivon’ny tafika Malagasy intsony aza ? Ny tsy fantatra dia ny hoe nisy ve ny fanalavana ny fe-potoana hahafahan’izy ireo mijanona any ivelany sa nampanaovina iraka manokana hafa mihitsy, ka izay no maha raikitra azy any ? Andrasana kosa ny mety ho fanazavana avy any amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena momba ity raharaha ity satria izy ireo no heverina fa mahalala amin’ny antsipiriany ny mikasika ity toe-javatra ity.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT